|

FANANGANANA KAOPERATIVA

MIROSO AMIN'NY ARA-DALANA IREO FIKAMBANANA

Fikambanana miisa 9 be izao misehatra eo anivon’ny fambolena sy fiompiana avy amin’ny kaominina Mahitsy sy Antanetibe Mahazaza no nahazo fiofanana mahakasika ny KAOPERATIVA tao amin’ny efitrano fivorian’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza ny alatsinainy 22 novambra 2021 lasa teo. Narahina tohana teo amin’ny fanatanterahana ny fivoriambe fananganana ara-panjakana avy hatrany moa izany fiofanana izany ny talata 23 novambra teo ihany. Tafiditra ao anatin’ny tohana izay mifanindran-dalana amin’ny tetikasa PACPA moa izy ity, ny PACPA izay tetikasa manome lalam-barotra ireo orinasa madinika nisedra olana noho ny valanaretina COVID 19 mba hanarenana izany haingana. Fikambana iray avy isaky ny distrika iasana no noeritreretina homena fiofanana sy tohana amin’ny fananganana ara-panjakana dia ny ao Ambohidratrimo sy ny ao Atsimondrano, kinanjo izao tafiakatra 9 izao sahady ny kaoperativa tafatsangana na dia mbola ny tao Ambohidratrimo ihany aza no vita.

Fiofanana momba ny Kaoperativa tao Antanetibe Mahazaza - Ambohidratrimo

Isan’ny fomba iray entin’ireo mpandraharaha madinika mamaha ny olany sy manatratra ny tanjony ny fananganana kaoperativa. Ao izy ireo afaka miatrika sy mamaha miaraka ny olana iombonana ary lohalaharana amin’izany ny fitadiavana lalam-barotra. Ny kaoperativa mantsy dia fikambanana natokana mihitsy hifantoka amin’ny resaka varotra. Tsy mahagaga raha resy lahatra sy mihazakazaka manangana kaoperativa ireo mpamokatra ankehitriny.

Efa ezaka natomboky ny fandaharanasa FANOITRA (PROSPERER) moa izao fanohanana sy fanamorana ny firosoan’ny mpamokatra amin’ny fananganana kaoperativa izao ary dia izao ampitainy amin’ny Rafitra Mpandova SEAMAMA izao. Araka izany dia notohizana ny fomba fiasa izay efa nahitana fahombiazana ka ny avy ao amin’ny DRICC na ny Fitaleavam-paritry ny Indostria izay efa niara-nisalahy tamin’ny fandaharanasa sy ampy traikefa amin’izany ihany no nantsoin’ny Rafitra Mpandova SEAMAMA hiara-hanatanteraka aminy ity fampiofanana sy fananganana ara-panjakana ny kaoperativa tao Antanetibe Mahazaza ity. Taorian’ny fiofanana notontosain’ny DRICC dia nifarimbonan’izy ireo sy ny SEAMAMA ny fanampiana ireo fikambanana tsirairay avy hanatanteraka ny fangananana ny kaoperativa. Aorian’izay moa dia hamoaka ny « CERTIFICAT D’ENREGISTREMENT » na ny fanamarinana ny fijoroan’ireto kaoperativa ireto ara-dalana ny ao amin’ny DRICC.

Tsy mbola tapitra hatreo moa ity fiofanana ity satria dia hotanterahina ny alatsinainy 29 sy talata 30 novambra izao koa ny anjaran’ny ao amin’ny distrikan’Atsimondrano. Tsy hijanona hatreo ihany ny ezaka fa tsy maintsy mbola hisy ny fiaraha-miasa mitohy eo amin’ny Rafitra Mpandova SEAMAMA sy DRICC mba hahafahana manohana hatrany ireo mpamokatra amin’ny fananganana kaoperativa tahaka izao. Ankoatra izay, tsy hijanona eo amin’ny fananganana ihany ny tohana fa hiezaka ny SEAMAMA hanome ireo tohana samihafa ilain’ireo fikambanana tafajoro rehetra mba hisian’ny tena fampandrosoana marina miainga avy amin’izy ireny.

Riva Ando ANDRIAMALALA

A lire également

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *