|

FAMBOLENA BIOLOJIKA

MITODIKA AMIN'NY FAMBOLENA BIOLOJIKA IREO MPAMBOLY

Tontosa teto amin’ny faritra Analamanga, distrikan’Ambohidratrimo sy Atsimondrano nandritra ny volana oktobra sy novambra 2021 ity ny fiofanana FAMBOLENA BIOLOJIKA ho an’ireo mpandraharaha madinika miasa amin’ny fambolena miisa 100. Anisan’ny fambolena mahazo vahana moa izy ity noho ny fisian’ny tsena lehiba azo trandrahina sy tsara vidy raha mahafehy ny antsipirihany rehetra takiana ireo mpamokatra. Toerana efatra no nanatanterahana ny fiofanana :

– 19-20 oktobra 2021 :
*Ambohijanaka : 07 MER (MER : Micro Entreprise Rurale/ Mpandraharaha madinika)
*Antanetikely : 22 MER
*Mahereza : 15 MER

– 20-21 oktobra sy 02-03 novambra 2021 :
Antanetibe Mahazaza : 68 MER.

Ity fiofanana ity moa dia tafiditra ao amin’ilay fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fandaharanasa FANOITRA (PROSPERER) sy ny Rafitra Mpandova SEAMAMA. Mba ho fanamorana sy ho fahazoana antoka ny kalitaon’ny fiofanana dia nisy ny lamina napetraka tahaka izao :

– Ny Rafitra Mpandova CCIA no nanatontosa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina avy amin’ny DRAE Analamanga izay efa mpisehatra amin’ny tontolon’ny fambolena ;

– Ny Rafitra Mpandova SEAMAMA sy ny DRAE Analamanga kosa no mametraka fifanaraham-piaraha-miasa vaovao entina manatontosa ny fampiofanana ireo mpandraharaha madinika.

Aorian’izao fiofanana izao dia hisy ny fanjohiana sy fanarahan-dia ary fanomezahana tohana ara-kevitra ho an’ireo izay vonona hiroso lalindalina kokoa satria dingana lavitra ezaka moa ny famokarana anaty fambolena biolojika. Hifanome tanana ao anatin’izany hatrany ny Rafitra Mpandova SEAMAMA sy ny DRAE Analamanga.

A lire également

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *