|

FANABEAZANA ARA-BOLA

AMPIANARINA MITAHIRY SY MIFEHY FINDRAMAM-BOLA IREO MPAMOKATRA

Mpandraharaha madinika miisa 105 indray no nisitraka fiofanana FANABEAZANA ARA-BOLA ny volana oktobra sy novambra teo teto amin’ny distrika Ambohidratrimo sy Atsimondrano, faritra Analamanga. Indimy miantoana izany fiofanana izany izay mitsinjara tahaka izao :

Kaominina ANTANETIKELY : 26-27 oktobra 2021 : 22 MER(MER : Micro Entreprise Rurale/ Mpandraharaha madinika)

Kaominina MAHEREZA: 29-30 oktobra 2021 : 23 MER

Kaominina ANTANETIBE MAHAZAZA : 08-09 novambra 2021 : 19 MER sy 18 MER (Totaliny : 37MER)

Kaominina MAHITSY : 25-26 novambra 2021 : 23 MER.

 

Natao izao fiofanana izao mba hahafahan’ireo orinasa/mpandraharaha madinika ireo mifehy ny hetsika ara-bola iainan’izy ireo ka hitera-boka-tsoa ho azy fa tsy sanatria hampitombo fahasahiranana.

Marihina moa fa ireo orinasa madinika ireo dia isan’ireo mpandraharaha hisitraka ilay tetikasa PACPA. Ny PACPA dia tetikasa manohana ara-barotra ireo orinasa madinika misehatra eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana izay nisedra olana noho ny aretina COVID mba ho fanarenana malaky ny fiantraikan’izany teo amin’izy ireo. Hisy irony antsoina hoe « fond revolving » irony hamatsiana ireo vondron’ny mpamokatra ao anatin’izany tetikasa izany ka izay indrindra no isan’ny antony nisafidianana azy ireo hisitraka ity fiofanana Fanabeazana ara-bola ity mba hahafahany miatrika sy mahita fahombiazana amin’izany.

 

Ny Rafitra Mpandova SEAMAMA moa no nanatanteraka ny fiofanana tamin’ny alalan’ireo Mpanolotsainan’ny Orinasa izay efa manana traikefa amin’ny fampitana izany loha-hevitra izany sy mahalala ihany koa ny fiaimpiainan’ireo orinasa madinika ireo. Andro roa no nanatanterahana ny andiany avy teny ifotony. Afa-po ireo mpiofana ary antenaina fa hahay hanapa-kevitra tsara ry zareo mahakasika ny tontolon’ny fanaovana tahiry, ny findramam-bola, ary indrindra ny famerenana ny vola nindramina.

Riva Ando ANDRIAMALALA

A lire également

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *