|

FIOFANANA WORDPRESS

SERASERAN'NY RAFITRA MPANDOVA

Iray volana mialohan’ny hitsaharany, mbola tsy mitsahatra manamafy ny fahaiza-manaon’ny Rafitra Mpandova ny Fandaharanasa FANOITRA (@PROSPERER). Ny wordpress sy ny tontolony indray no ifantohan’ny atrikasa fampiofanana amin’ity indray mandeha ity. Ireo Rafitra Mpandova manerana ny nosy no misitraka izany mandritra ny herinandro eto amin’ny hotely Menabe’L Antsirabe. Nanomboka ny alatsinainy 29 novambra teo izany ary hifarana ny zoma 03 desambra ho avy izao. Amafisina hatrany ny fahaiza-miserasera mba tsy ho takona any ambadiky ny sehatra ireto Rafitra mpandova fa hisongadina hatrany eo amin’ny asa fampandrosoana sahaniny.

Ny wordpress moa dia karazana tranonkala tsotra, mora kirakiraina nefa tena feno sy mahafa-po amin’ny maha tranonkala azy. Ezahina ny hifehy ny fikirakirana sy ny fampiasana azy mandritra izao fiofanana izao mba hahafahan’ny Rafitra Mpandova manitatra ny ambaindain’ny seraseran’izy ireo. Samy hanokatra ny anjara takelaka ho azy avy ireto Rafitra Mpandova ireto ao anatin’izao fiofanana izao. Hatambatra anaty tranonkala lehiben’ny @FCCIM izany mba hanamorana ny fametrahana azy eo amin’ny tontolon’ny internet sy hanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo samy Rafitra Mpandova. Mifanohy amin’ny fiofanana izay efa natao tamin’ny volana febroary mahakasika ny tontolon’ny serasera « Multimedia » ihany ity webpress ity. Ireo tompon’andraikitry ny serasera izay miisa 02 avy ao amin’ny Rafitra Mpandova moa no efa nisitraka izany sy manohy izao fandalinana vaovao izao. Miisa 12 ireo Rafitra Mpandova ireo izay misehatra eo amin’ny Faritra 09, izany hoe mpandray anjara 24 raha tsorina kokoa ka anisan’izany ny @SEAMAMA.

Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitra moa dia misy lamina sy pitsopitsony mbola halamina mialohan’ny tena hanapariahana ity tranonkala @FCCIM ity. Hatreto dia ny pejy facebook sy ny fandaharana an’onjampeo no isan’ny serasera fototra ampiasain’ireo Rafitra Mpandova. Hiitatra amina tambazotra hafa izany aorian’ny fiofanana ary indrindra hisongadina koa ny fidirana amin’ity webpress ity. Araka izany, mahazo mandry ivohon’ny vato ny Fandaharanasa fa hitohy ny asa ary hiroborobo ny lova nampitaina.

Riva Ando ANDRIAMALALA

A lire également

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *